Fahasalamana : Hisy ny hetsika vaksiny faobe hiadiana amin’ny lefak’hozatra
Dépêche 11 mai, 14h, Noho ny olana izay miseho sy hita taratra amin’ny fahamaroan’ny zaza mararin’ny lefaka hozatra dia haverina indray ny vaksiny faobe. Hatomboka ny 16 mey hatramin’ny 19 mey izao indray izany manerana ny Nosy. Ireo zaza latsaky ny 5 taona rehetra no hisitraka izany vaksiny izany. Toy ny paik’ady rehetra hatramin’izao dia mbola hitohy ihany izany. Hiampy ny fandehanana any amin’ny sekoly sy ireo “crèches” ihany koa hahafahana mahatratra isa betsaka.
| ReplyForward |
