Kolontsaina : Homarihina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny hehy amin’ity taona ity
Dépêche 11 mai, 12h, Hankalazaina isaky 7 mey ny andro iraisam-pirenena ho an’ny hehy. Hanamarihana izany eto Madagasikara dia hisy ny hetsika hokarakarain’ny Ministeran’ny Kolontsaina. Hisy fampisehoana hatsikana maimaim-poana hotanterahina ao amin’ny Ivokolo Analakely ny sabotsy 13 mey izao. Manan-karena mpana-talenta amin’ny hatsiaka eto Madagasikara ka azo atao tsar any mampiroborobo izany. Anisan’ny tanjona amin’ity hetsika ity izany. Handray anjara ao amin’io fotoana io i Barhone sy Etsetra-Etsetra. Tsy ambakan’izany ihany koa ireo tanora vao misondrotra sy ireo hafa efa manana ny lazany. Miisa 12 izy ireo no handray anjara mandritra ny hetsika izay hanomboka amin’ny 2ora sys sasany.
