Ankoay 3×3 : Hiainga ho any Serbie amin’ity herinandro ity hanoman-tena
Dépêche 11 mai, 11h, Fizarana farany mialohan’ny lalao iraisam-pirenena any Autriche ity hatao any Serbie ity. Hiainga ho any an-toerana amin’ity herinandro ity ny delegasiona hiatrika ny fanazaran-tena. Tafiditra aoa antin’izany delegasiona Malagasy izany i Livio Ratianarivo, Elly Randriamampionona, Arnol Solondrainy ary Fiary Rakotonirina, mpilalao. Hanaraka azy ireo amin’izany ihany koa i Jean De Dieu Randrianarivelo, mpanazatra sy i Pascal Rasaony, filohan’ny delegasiona. Hihazo an’i Autriche avy hatrany izy ireo vantany vao vita izany fanazaran-tena izany hiatrika ny lalao iraisam-pirenena amin’ny Basket lalaovin’olona telo ny 30 mey hatramin’ny 5 jona izao.
