Avaradrano: Efa nivoaka ny fandaharam-potoana amin’ny fitsarana miaramila
Efa nivoaka ny fandaharam-potoana hanatanterahana ny fitsarana miaramila ho an’ireo zatovo, 19 taona no mihoatra ao amin’ny distrika Avaradrano. Hanomboka ny 26 sy 27 may izao izany ary ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina no hisantatra izany.
« Ireo tanora manomboka 19 taona ka hatramin’ny 31 taona no hentanina hanatanteraka ny fitsarana miaramila. Ireo izay nahazo ny attestation de révision ny taona 2020 ihany koa dia voakasika ao anatin’izany fitsarana izany » hoy ny avy amin’ny distrika.
« Tena ilaina ny fitsarana miaramila ho an’ny tanora, indrindra rehefa itady asa na hikarakara antontan-taratasy isan-karazany. Tsy tokony ho kamo ny tanora amin’ny fikarakarana izany satria mitovy lanja amin’ny kara-panondrom-pirenena » hoy ireo avy amin’ny mpitandro filaminana.
Ny kaominina Sabotsy namehana, Vilihazo, Ambohidrabiby, Anosy avaratra ary Manandriana no hisantatra ity fitsarana miaramila ity. Mitambatra ivon-toerana iray ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana avokoa no hanatontosana izany.
Manitra R.
