ActualitésTsidika

Foto-drafitr’asa : Tafapetraka ny ozinina fanodinana sy fikarakarana tantely ao Manakara

Manana ny orinasa mpanamboatra ny tantely vokariny i Manakara manomboka izao. Notokanana ny sabotsy teo tao an-toerana izany niaraka tamin’ny Minisitry ny Indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Edgar Razafindravaha izany. Amin’ny maha-toerana mpamokatra tantely an’ny Manakara no antony nanaganana izany orinasa izany.

« Mahavita mamokatra tantely ahtramin’ny 800 kilao isan’andro ity masinina ho ampiasaina ity. Hatolotra ireo mpisehatra izy ity ary hahazo tombony amin’izany avokoa na ireo tantsaha, na ireo cooperatives ary na ny Fanjakana foibe aza dia hahazo ihany kao », hoy ny Minisitra.

Talohan’ny tsy fisian’ity ozinina ity namokatra tantely 100taonina isan-taona i Manakara. Maro ihany koa ireo mpisehatra ao anatiny ka hanampy azy ireo ny fananana izany.

« Manakasitra ny Fitondram-panjakana fa mety hanatsara ny tsena ihany koa ny fananana ireto fitaovana vaovao ireto. Hanatsara ny vokatra ihany koa izany », hoy ny solontenan’ireo mpisehatra nisitraka ny ozinina.

Marihina fa manerana ny Nosy dia samy hametrahana orinasa oty izao avy izay mifanaraka amin’ny famokaran’ny faritra. Ankoatra ny fametrahana orinasa anefa dia ilaina ny fampiofanana ny olona tsirairay amin’ny kalitaom-bokatra satria izany ihany no vahaolana hamahana ny tsy fahatomobanan’ny teo-kerana indrindra any amin’ny tontolo ambany vohitra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire