Dépêches

Ankoay vehivavy : Tapaka ny lalan’izy ireo ho any amin’ny fiadiana ny ho tompondaka erantany

Dépêche 08 mai, 14h, Taorian’ireo faharesena indroa miantaona izay nahazo ireo Ankoay vehivavy ireto dia tsy afaka hiatrika ny lalao iraisam-pirenena lalaovin’olona telo izy ireo. Ity lalao ity izay fifanintsanana hiatrehana ny « mondiale » natao tao Israël. Resin’ny Repoblikan’ny Tcheque sy  Australie izy ireo tamin’ireo lalao roa voloahany. Araka izany dia laharana fahatelo izy ireo tao anatin’io vondrona io ka tsy afaka niatrika akory ny lalao manasa-dalana. Araka izany dia tsy ho hita any Autriche i Minoharisoa Christiane Jaofera, Harisoa Muriel Hajanirina, Sydonie Marie Andriamihajanirina ary Rondro Raherimanana mandritra ny lalao iraisam-pirenena lalaovin’olona telo ny 30 mai hatramin’ny 4 jona ho avy izao. 

Laisser un commentaire