ActualitésTatitra

Serbie : Efa tonga ao an-toerana ihany koa ny tranga fifampitifirana

Raha ao Etats-unis no hisehoana tranga fifampitifirana matetika dia efa mirongatra ihany koa izany ao amin’ny firenena Eropeana. Nisehoan’io tranga fifampitifirana io tao amin’ny sekoly iray tao Belgrade, Serbie ny herinandro lasa teo. 24 ora ora taorian’io tranga fifampitifirana io nefa dia lehilahy iray indray no nitarika izany 60 km niala io renivohitr’i Serbie io.

Lehilahy iray no nitarika ny fitifirana avy tao anaty fiarany raha ny fanazavana. Namakivaky tanàna telo tsy lavitr’i Mladenovac izy ka nahafaty olona valo sy nandratra olona 13. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tovolahy 21 taona monja antsoina hoe Uroš B io nitarika ny fitifirana io. Manoloana izany dia angidimby, polisy ary manam-pahefana miady amin’ny fampihorohoroana maro no nahetsika nisambotra azy.

Laisser un commentaire