Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety : Laharana faha 101 amin’ny 180, isa navoakan’ny RSF
Dépêche 04 mai, 13h, Noho ny fankalazana ny andro maneran-tany ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety dia namoaka ny laharana amin’izany ho an’ny firenena rehetra indray ny Reporter Sans Frontières. Amin’izao fotoana izao dia faha 101 amin’ny firenena miisa 180 i Madagasikara. Nahitana fihemorana isa telo izany mihoatra ny tamin’ny taon-dasa. Ny anton’izany moa dia ny fangejan’ny mpanao politika ny asan’ireo mpanao gazety. Eo ihany koa ny fananan’ny fanjakana fahefana amin’ireo haino aman-jery ka afaka manolo sy manova ny tompon’andraikitra amin’izany. Etsy andaniny dia miha-ratsy ny kalitaon’ny fampahalalam-baovao ary miha-sahirana ireo mpanao gazety amin’ireo tsindry isan-karazany, hoy hatrany ny RSF. Mbola manjaka ny kolikoly noho ny hakelin’ny karama ka izany olana rehetra izany no tokony ho vahana ahafahana mahazo toerana ambony sy manova ny mahakasika ny filazam-baovao.
