ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Ezahana ny fampandrosoana ny renivohitry ny kaominina

Anisan’ny iray amin’ireo kaominina mandrafitra ny distrika Avaradrano ny kaominina Talata Volonondry. Na dia mbola anatin’ireo kaominina ambanivohitra aza anefa izy, efa maro ireo asa fampandrosoana sy ezaka ataon’ireo tomponandraikitra hampivoarana azy.

« Ezahana hatrany ny fampandrosoana ny renivohitry ny kaominina ity, indrindra ny lafin’ny fahadiovana, ny fametrahana fiara (parking), ny endriky ny tsena koba sy ny saosisy » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

 » Mila mifanampy sy miara-miasa hatrany anefa mba hahatanteraka izany. Ka izany indrindra no hanetanana ny rehetra mba samy handray ny andraikiny tandrify azy satria tanàna mandroso no tanjona ho tombotsoan’ny tsirairay » hoy hatrany ny fanazavana.

Manana anjara amin’ny fampandrosoana avokoa ny olom-pirenena tsirairay. Ao anatin’izany indrindra, tsy tokony hiandry ny tomponandraikitra vao afaka hanao na hanova zavatra. Ilaina ihany anefa ny fampandraisana andraikitra mba ahatongavana amin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire