ActualitésTsidika

Anjeva: Olona telo nidoboka am-ponja taorian’ny namonoana renim-pianakavina iray

Nisehoana trangana famonoana renim-pianakaviana tao amin’ny fokontany Amboholefoka, kaominina Anjeva gara tamin’ny 17 aprily teo, niaraka tamin’izany ny fahaverezana vola mitentina 10 tapitrisa ariary. Niakatra ny fitsarana ny talata teo ity raharaha ity ka olona telo no nadiboka am-ponja, raha ny voalaza.

« Raharaha vono olona efa nomanina no niseho tao amin’ity tokatrano iray ity. Taorianan’ny famotorana natao dia olona miisa 11 no voasambotra. Niara-nisalahy tamin’ny fanaovana ny fanadihadiana ity ny zandary teto Anjeva sy avy ao Ambohimalaza » hoy ny avy amin’ireo manam-pahefana.

 » Rehefa nandeha ny fitsarana ny 25 aprily teo dia olona miisa telo no nidoboka am-ponja. Ny roa izay eny Tsiafahy, dia ny vadiny sy ny sakaizany. Ny iray kosa ny mpitaiza azy, nalefa eny Antanimora »  hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny tranga nanaitra ny mponina tao Anjeva moa ity tranga ity, izay maro no tsy nanam-po satria ireo olona akaiky ilay niharan’ny famonoana ihany no nahavanona ny loza. Miandry ny famoahana ampahibemaso ireo nahavanona ny loza moa ny mponina ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire