La Réunion : Nanomboka ny hetsika fanadiovana goavana ao Saint-Denis
Mpiasan’ny kaominina maherin’ny 200 isa no nahetsika nanomboka omaly 18 aprily ao Saint-Denis hanao fanadiovana faobe. Haharitra herinandro io hetsika antsoina hoe « Netoy nout vil » io ary voakasik’izany avokoa ireo tanàna mandrafitra ny kaominina.
Niainga avy amin’ny fandinihana io hetsika io raha ny fanazavan’ny tompon’andrikitry ny lapan’ny tanàna annexe du Chaudron, Chantal Vitry. Mivangongo ny fako satria tsy manaja ny fanasokajiana izany ny mponina hoy izy.
Fako maro samihafa kosa no hohezahina raofina mandritra io hetsika io toy ny plastika, fako vata-fampangatsiahana, seza sns raha ny fanamafisana ary alefa ao amin’ny toeram-panasokajy fako ao Cinor.
