ActualitésTsidika

Lalaon’ny nosy: Ny coach Rôrô no hitondra ny mpilalao baolina kitra

Maro ny mpilalao no manana ny lenta  amin’ny filalaovana baolina kitra eto Madagasikara. Tokony efa miomana ny Malagasy amin’ny fampivondronana ny mpilalao handrafitra ny ekim-pirenena  amin’ny lalaon’ny nosy, izay ho tanterahana ny 23 Aogositra –  03 septambra 2023. I Madagasikara no handray ny lalaon’ny nosy andiany faha-11 izany .

Manomboka ny fanomanana ireo mpilalao Malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra. Mbola fijerena sy fifantenana ireo mpilalao hatreto no ataon’ity mpanazatra nitondra ny barea zandriny ity. “Amin’izao dia efa manomboka mijery ny mpilalao. Miezaka mijery ireo “match pro-league” izay azo enjehina moa zany, satria efa misimisy ihany ny mpilalao efa nahazo taona, misy ihany koa ny maratra, misy ihany koa ireo mpilalao efa misy “baisse de forme”.Dia amin’izao efa miomana sahady”, hoy Romuald Félix Rakotondrabe, mpanazatra.

Tokana ny lalana ahafahana mankany amin’ny fahombiazana. Tokony hisy fampivondronana ny mpilalao eto an-toerana. Izany no tanjona  mba ahafahana manamafy ny fahaizana miaraka eo amin’ny ekipa. “Ny fahombiazana dia tsy misy afa-tsy ny fanomanana ihany. Izay no tena zava-dehibe…. Raha ho anay teknisianina dia mieritreritra izahay hoe tokony hisy  fampivondronana indray mandeha isam-bolana. Ny vinavina dia tokony manomboka amin’ity volana aprily ity.”, hoy hatrany i coach Rôrô, mpanazatra.

Manan-danja ho antsika eto Madagasaikara ny fandraisana ity lalaon’ny nosy ity. Noho izany tokony tsy hiezaka ny mpilalao Malagasy mba handrombaka amboara betsaka amin’ity fifaninana ity. Tokony tsy ho mena-mitaha amin’ireo nosy rahavavay I Madagasikara fa mba manana izany fahaiza-manao izany ny mpilalao eto an-toerana. Fandresena foana no andrasana rehefa lalao itony. Nefa kosa miankina amin’ny fahavononana amin’ny lafiny rehetra ny ahazahoanan izany na tsia.

Erwan RAN

Laisser un commentaire