ConseilTsidika

Torohevitra: Fomba tsotra hanarenana ny hodi-tava reraka

Ny hodi-tava no anisan’ny mora ahitana indrindra ny harerahana eo amin’ny olona iray. Ampian’ny rotoroto amin’izao fotoana izao, hita taratra eny amin’ny endrika na ny tanora na ny olon-dehibe ny arerahana. Mahatonga ny hoditra ho mora antitra vetivety anefa izany satria mikentrona no somary miroraka ny hoditra.

Misy fomba tsotra anefa azo hanarenana izany, amin’ny alalan’ny fampiasana vokatra natoraly. Azon’ny sokajin-taona rehetra ampiasaina. Zavatra ilaina dia ny tain-kafe, ny tapotsin’atody ary ny tantely.

Atambatra ireo rehetra ireo, atao amin’ny lanja mifandanja, afangaro  tsara. Rahefa izay, dia ahosotra amin’ny tarehy, ary tsara hosorana hatramin’ny tenda. Avela hiasa eo amin’ny tarehy izany mandritra ny 10 minitra vao kobanina amin’ny rano matimaty.

Vita ireo dia afaka farany amin’ny fanosorana ny akora manamandina hoditra efa mahazatra.

Manitra R.

Laisser un commentaire