Fahasalamana : Mbola misy manerana ny faritany enina ny aretina coronavirus
Dépêche 17 avril, 11h, Mbola mitoetra manerana ny Nosy ny aretina covid-19 raha ny isa navoakan’ny Ministeran’ny Fahasalamana tamin’ny herinandron’ny 8 hatramin’ny 14 aprily teo. Miisa 25 ny isan’ireo narary tao anatin’izay herinandro izay. Ny faritra Analamanga no tena manana salan’isa ambony indrindra : ny 14 amin’ireo marary dia tao avokoa. Etsy andaniny anefa dia nahitana tranga ihany koa ny faritra Diana, Vakinankaratra, Androy sy Itasy ary Matsiatra Ambony. Araka izany dia mbola mitoetra ny fihetsika sakana rehetra ho an’ny Malagasy manerana ny Nosy. Samy mandray ny andraikitra sahaza azy amin’izany ny tsirairay satria vanim-potoanan’ny gripa sy ny sery izao fotoana izao.
