Sabotsy Namehana : Mila ferana ny lanjan’ireo kamiao mampiasa ny lalana
Mampitaraina ny mponina amin’izao fotoana izao ny fihotsahan’ny lalana, izay fampiasan’ny olona ao Namehana, kaominina Sabotsy Namehana. Ny fivezivezen’ireo kamiao mavesatra amin’ny lalana no mahatonga ny fahasimbana, raha ny voalaza.
« Manaitra ny kaominina mba hijery akaiky ity fihotsahan-dalana ity, indrindra ny mahakasika ireo fiara lehibe mpampiasa ny lalana izay antony voalohany manimba io lalana io. Ny mpandeha sy mampiasa ny lalana no tena mijaly rehefa simba tahaka izao » hoy i Tahiana, mponina ao Namehana.
« Anisan’ny olana goavana mahatonga ity fahasimbana ity ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso eo amin’ny kamiao mivezivezy. Ilaina ny mampanaraka ny fenitra eo amin’ny lanja sy ny vesatra mandalo eo mba hiala amin’ny olana tahaka izao » hoy i Felix, mpitatitra vokatra.
Zava-dehibe araka izany ny famerana ny lanjan’ireo fiara mampiasa ity lalana ity. Manoloana izany ihany koa, miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny kaominina ny mponina amin’ny fanamboarana sy fikojana izany.
Manitra R.
