ActualitésTsidika

Literatiora: Ho azon’ny rehetra jifaina ny boky miarkitra ny asa soratr’I Jacques Rabemananjara

Jacques Rabemananjara, iza no tsy mahalala izany mpanoratra izany. Maro ny sangan’asany entina hampiasaina any an-tsekoly. Ao ihany koa ireo hampirantiana sy hampiasainaamin’ny hetsika san-karazany. Hisy ny boky izay hatonta manokana ho an’ny Madagasikara ka havoaka amin’ny fomba ofisialy ny 20 aprily izao ao amin’ny Fitoeram-boky nasionaly.

“Entina indirndra hanazavana sy hampahafantarana bebe kokoa ny sangan’asan’ity mpanoratra manana ny lazany ity no tanjona lehibe amin’ity boky ity. Boky iray mrakitra ireo asa tanany no hamidy amin’ny vidiny afaka jifain’ny rehetra eto Madagasikara. Nisy ny fikarohana fanampiana entina indrindra hampidinana izany vidina boky izany ka niarahana niasa tamin’ny Fonds Yavarhoussen ny tetik’asa”, hoy I Lalao-Elina RazanadriakaTalen’ny Éditions Mpariaka Boky (MBM).

Mbola tsy dia nazava tamin’ny Malagasy maro an’isa ny asa tanany, ny lalam-piainany ary ny asany teto amin’ny firenena ka izany indrindra no antony nanatanterahana ity hetsika manokana ho an’ny Madagasikara ity. “Afaka ny hisitraka izany avokoa arka izany izay liana ny amin’ny tantarany sy ireo rehetra izay liana amin’ny vaky boky. Afaka jifaina amin’ny vidiana amin’ny vidiny 30 000ariary ny boky mandritra ny iray volana, 15 000ariary kosa ho an’ireo mpianatra mandritra ny famelabelaran-kevitra eny Ambohitsaina ny 19 aprily sy ny 5 may any Barikadimy”, hoy i Dominique Ranaivoson, mpitatitra ireo asa soratra tao anatin’ny boky.

Olona nanana ny maha-izy azy teto amin’ny firenena I Jacques Rabemananjara. Ankoatra ny maha mpanoratra ny tenany izay nahazoany ny Grand Prix de la francophonie avy amin’ny Akademia Frantsay tamin’ny 1988 dia anisan’ny mpanorina ny antoko MDRM ny tenany, efa solombavambahoaka ary efa Minisitra ihany koa. Ireo asa tanany amin’io boky io no mamaritra ny momba momba azy raha te hahalala bebe kokoa ny momba azy ianao.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire