Etats-Unis : Manamafy ny fepetra manoloana ny fandotoana avoakan’ny fiara ny firenena mba hampiroboroboana ny fiara elektrika
Miroso hatrany any amin’ny fampiasana ny fiara mandeha amin’ny herinaratra i Etats-Unis. Nanolotra fepetra enjana manoloana ny fandotoana avoakan’ny fiara ny governemanta amerikana ny alarobia teo. Fepetra izay mikendry ny fampiroboroboana ny fiara elektrika. Heverina fa hampihena 10 miliara taonina ny fiparitahan’ny CO2 mantsy io fepetra io hatramin’ny taona 2055 any raha ny fanazavan’ny EPA (agence de protection de l’environnement).
Etsy ankilany dia mikendry ny firenena fa ny roa ampahatelon’ny fiara lafo hatramin’ny taona 2032 dia ho elektrika avokoa. Mihoatra ny tanjona efa napetraky ny filoha Joe Biden tamin’ny roa taona lasa io zava-kendren’izy ireo io. Raha tsiahivina dia antsasan’ny fiara tsy mamoaka entona (électriques, hybrides rechargeables, hydrogène) no novinavinain’ny filoha ho lafo amin’ny taona 2030 ao an-toerana.
