FIBA U-19 : Manantanteraka fampivondronana any Frantsa ny ANKOAY
Efa tonga any Paris avokoa ireo mpilalao malagasy amin’izao fotoana izao. . Hiatrika ny lalao iraisam-pirenena eo amin’ny taranja Basketball U19 izay hatao ny 24 Jona hatramin’ny 2 Jolay 2023 ao Debrecen Hongrie. Noho izany hanatanteraka fiofanana ara-teknika, fanazaran-tena miampy lalao fitsapana maro any Frantsa ny Ekipam-pirenena malagasy ANKOAY. Any amin’ny Elan-Chalon no hanaovan’izy ireo izany fanazaran-tena izany . « Marihina moa fa efa vonona tanteraka ireo mpilalao ny hiatrika fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Hongrie amin’ny vola Jona 2023 ho avy izao », hoy ny teo anivon’ny federasiona Malagasy ny Basket-Ball.
Ao anatin’ny fanazaran-tena tanateraka ireo mpilalao amin’izao fotoana izao. Miisa 13 ireo mpilalao hiatrika izany lalao iraisam-pirenena : ANDRIATSARAFARA Lovasoa Ny Aina Andyerson, RABIBISOA Jerry Pépin, RANDIMBIARIVELO Rino, MIRANDO Levah Maharo Andriantsiferana, EMMANUEL Yves Victorien Leon, HERITIANA Fabrizio Mickaël Patrick, BE Richcard, TOVOLALAINA Mariano Sylvain,TSIHINDINY Laurent Tahintsoa Junnhio O’Neal,M’MADI Mathias, RANDRIANALINJAFY Dina, RAHARINAIVO Zoherimalala Davida, RAOLOMPANATENA Thesbon Sydney. Ireo izy 13 mirahalahy izay hiaro ny voninahi-pirenena malagasy.
Manana ny fahaiza-manao sy talenta amin’io taranja « Basket –Ball » io ireo mpilalaon-tsika ireo. Ka mankahery azy ireo isika amin’izay adidy masina hiantsorohan’izy ireo zany. Anisan’ny mampihetsika ny ambom-pon’ny malagasy ny fiakarana amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy izao. Nanamarika izany ny lalao izay notanterahana tao amin’ny kianja mitafon’ny Mahamasina tamin’ny taona 2022 lasa teo iny.
Erwan RAN
