Anjeva : Mbola mitohy ny fahitana fatin’omby very ao an-toerana
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny halatr’omby amin’izao fotoana izao ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Omby iray indray, efa tsy nisy nofo intsony no hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Faliary, ny alahady teo.
« Vao herinandro izao no nisehoana tranga toa izao teny amin’ny fokontany Ankadiefajoro, izao tonga amin’ny fokontany Faliary no hisehoan’ity loza ity. Mila miambina ary indrindra miara-mientana ny mponina manoloana izao tranga izao » hoy i Solo, mponina ao Anjeva.
« Toe-javatra tena mampalahelo no ametrahana fitarainana amin’ny manam-pahefana fa tena mijaly ny mpiompy. Mandry tsy lavo loha ny mponina, miatintaina andro sy alina noho ny tsy fandriam-pahalemana » hoy i Rivo, mpiompy.
Tsy mitsahatra manaitra ny tomponandraikitra ary mangataka ny hijerena akaiky izao toe-javatra miseho matetika ao Anjeva izao moa ireo mponina ao an-toerana. Raha ho ripahan’ny olon-dratsy hatrany tokoa ny fiveloman’ny mpiompy, inona sa aiza no hiainan’izy ireo?
Manitra R.
