Dépêches

Fandriam-pahalemana : Nilamina ny teto Antananarivo nandritra ny fetin’ny Paka

Dépêche 11 avril, 12h, Azo lazaina ho nilamina Antananarivo nandritra ny faran’ny herinandro teo izay nankalazaina ny fetin’ny Paka teo iny. Hatramin’ny arivan’ny alatsinainin’ny Paka dia mbola miasa miaro ireo vahoaka sy ny fananany hatrany ireo mpitandro filaminana. Tsy niala teny amin’ny toeram-piandrasana fiara fitaterana izy ireo raha tsy efa tapitra tafody avokoa ny olona rehetra. Nanana paikady manokana ihany koa izy ireo teo amin’ny lafiny fomba fiasa toy ny fanaovana fanamiana sivily hahafahana miaro ny vahoaka. Tetsy ankilany anefa dia jiolahy iray ihany no lavon’ny balan’ireo Polisy raha saika hanendaka ireo olona hody avy nitsangantsangana tetsy 67ha.

Laisser un commentaire