ActualitésTatitra

Inde : Olona 5 no vosambotra manoloana ny raharaha namonoana an’i Shanti Shaw

Notapahan-doha tao amin’ny tempoly Hindou iray tao tamin’ny tanànan’i Guwahati, fanjakan’i Assam i Shanti Shaw, 64 taona tamin’ny taona 2019. Antony ny fanaovana sorona masina. Raha ny fanazavan’ny manam-pahefana tao Guwahati, Diganta Barah dia lehilahy iray antsoina hoe Pradeep Pathak, 52 taona no nikarakara io fanaovana sorona io tao anaty fombafomba ara-pivavahana mba hahatsiarovana ny tsingerintaona nahafatesan’ny rahalahiny. Nino io lehilahy io fa raha manao sorona olona ny tenany dia ho tony ny fanahin’ny maty.

Olona 12 kosa no nandray anjara tamin’io fombafomba io ary 5 amin’ireo no efa vosambotra. Nilaza kosa ny tompon’andraikitra fa tsy voalohany io tranga nanjo an’i Shanti Shaw io no niseho tao amin’ny firenena. Teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2021 dia olona 103 isa no natao sorona noho ny karazam-pinoana sy filalaovana ody. Ireo faritra « tribales » tsy lavitry ny renivohitra kosa nefa no tena ahitana ny tranga.

Laisser un commentaire