Fizahantany : Manao ny ezaka rehetra hampiroboroboana ny sehatra ny tompon’andraikitra
Sehatra iray somary nangina sy sahirana ity sehatry ny fizahantany ity taorian’ny valan’aretia covid-19. Manao ny ezaka rehetra hanarenana izany ny tompon’andraikitra indrindra moa ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany (ONTM). Miezaka manatrika ireo fampirantiana sy hetsika rehetra iraisam-pirenena mahakasika ny fizahantany araka izany ireo tompon’andraikitra sy ireo mpisehatra rehetra.
« Farany teo izao dia hita tao amin’ny World Travel Market indray ny ONTM sy ireo matihanina amin’ity sehatra ity avy eto Madagasikara. Hetsika fizahan-tany B2B tsy azo tsinontsinoavina ho an’ireo matihanina amin’ny fizahantany Afrikana sy iraisam-pirenena ity fotoana ity ka izany indrindra no nahitana an’ny Madagsikara tany an-toerana. Fotoana iray fanararaotra tokoa io satria afaka mifandray sy mifankahita tao avokoa ny mpisehatra rehetra », hoy ny avy ao amin’ny ONTM tamin’ny fanazavana.
« Ankoatra izany sehatra iraisam-pirenena izany dia ilaina ihany koa ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny. Mbola betsaka amin’ny Malagasy no mieritreritra ny toerana halehany rehefa fialan-tsasatra noho ny tsy fahalalana toerana. Ilaina ihany koa anefa ny mahafantatra ny an’ny tena ka tokony entanina kokoa ny mahakasika izany », hoy ny fangatahan’ireo olon-tsotra.
Raha tsiahivina ny WTM Africa dia hetsika iray natao hihaonan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany aty Afrika amin’ireo mpivarotra sy mpividy ao anatin’ny indostrian’ny fizahantany. Tao Afrika Atsimo no nanatanterahana izany tamin’ity taona ity. Fotoana iray hanararaotana hamoahana ireo vokatra ny fizahantany vaovao avy amin’ny faritra tsirairay ihany koa izany. Tombony ho an’ny Madagasikara ny « salon » sy ny fampirantiana tahaka izany mba ahafahana manatratra ilay tanjona amin’ny 2028. Tsy ambakan’izany ihany ko anefa ny fizahantany anatiny izay tokony asiana fanarenana betsaka kokoa.
Miora Raharisolo
