ActualitésTsidika

SSMAF : Misokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra ny hetsika

Ho avy tsy ho ela ny andiany fahatelo amin’ny hetsika SSMAF. Ao anatin’ny fanomanana izany tanteraka ny mpikarakara amin’izao fotoana izao. Toa ireo andiany tany aloha, hetsika sy fifaninana isan-karazany ho hita eny amin’ny BTC Ambohimangakely ary misokatra ho an’ny sokajin-taona rehetra ny fifaninana, raha ny voalaza.

« Maro ireo hetsika afaka handraisan’ny rehetra anjara ao anatin’ny SSMAF. Ao anatin’izany fifaninana amin’ny sary hoso-doko, ny ranty, ny fifaninana ara-panatanjahan-tena na lalaovin’olo-tokana na isaky ny ekipa izay tsy mifidy taona, tsy mifidy sokajy » hoy ireo mpikarakara ny SSMAF.

« Anisan’ny mampiakatra lenta ny mpifaninana ny fandraisana anjara amin’ny hetsika tahaka izao ary tombony lehibe ho an’ireo kely taona kanefa efa manana teknika sy fototra azo hianteherana tsara eo amin’ny taranja ataony. Fanampin’izany ny fizarana sy fahazoana traik’efa miatrika fifaninanana » hoy i Mitia, mpandray anjara tamin’ny SSMAF.

Marihina fa 15 jolay ka hatramin’ny 16 septambara no hanatanterahana ny SSMAF andiany fahatelo ity. Efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana amin’izao fotoana izao, ary hatramin’ny 30 jona no handraisana ireo mpandray anjara ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire