Dépêches

Famatsiana herinaratra: Miisa 18 tapitrisa amin’ny Malagasy no mbola tsy misitraka herinaratra

Dépêche 06 avril, 14h, Mbola miisa 18 tapitrisa amin’ny Malagasy rehetra no mbola tsy misitraka izany herinaratra izany amin’izao fotoana izao. Mametraka an’ny Madagasikara amin’ny laharana faha 13 amin’ny firenena betsaka mponina tsy misitraka herinaratra indirndra izany. Zava-dehibe amin’ny fiainana mihitsy ny fanananana herinaratra izay mamaha olana sy manala ireo karazana olana ara-piarahamonina isan-karazany. Mbola betsaka anefa ireo angovo azo trandrahina raha eto Madagasikara ka tokony tsy hanano sarotra ny fahazoana izany. Ezaka tokony hapetraky ny Fitondram-panjakana izany.

Laisser un commentaire