Ambohimangakely: Niroso tamin’ny fanamboarana vonjimaika ireo lalana simba ny kaominina
Niroso tamin’ny fanamborana ireo lalana efa hita ho feno fahasimbana eny an-toerana ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, nanomboka ny alarobia teo. Fanamboarana vonjimaika, hialana amin’ny fitohanana sy ny hahafahan’ny rehetra mampiasa ny lalana ampilaminana mandritra ny fety, araka ny voalaza.
« Tety amin’ny lalana by-pass Amoronakona no nanombohana ny fanamboarana, izay tena ahitana fahasimbana be. Hihazo ireo tena point noir izany fanamboarana izay tena mampitohana ny fifamoivoizana eto amin’ny faritra Ambohimangakely » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
» Tena efa ela nitarainana ny mpampiasa ity lalana ity. Hiaraha-mahita tokoa ny fitohanana hatrany amin’ny by-pass Ambohimanambola any vokatry ny fahasimban’ny lalana fotsiny, ny fahasimban’ny fiara tsy lazaina intsony fa tokony atao maharitra ihany ny fanamboarana » hoy i Rado, mpamily.
Ny fotoan’ny paska tokoa dia maro ireo mpivezivezy sy mpitsangatsangana amin’iny lalana by-pass Ambohimangakely iny. Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina araka izany ny fanamboaran-dalana izao mba handrindrana ny fifamoivoizana
Manitra R.
