ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hisy ny fitiliana ara-pahasalamana maimaim-poana

Hisy ny hetsika fizahana ara-pahasalama maimaim-poana izao atolotry ny kaominina Ambohimangakely, manomboka anio. Fitiliana, fizahana ary fitsaboana ireo karazana aretina no atolotra ny mponina mandritra ny telo andro, ao amin’ny hopitaly CHRD2 Ambohimangakely ihany.

« Fotoana mandalo ary fanararaotra ho an’ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana izay atolotry ny kaominina izao. Ho an’ny androany sy rahampitso dia ny fizahana marary ho an’ny sokajin-taona rehetra no hiseho. Hisy ihany koa ny fanalana nify, fizahana sofina, ny fitiliana ny tosi-drà sy ny diabeta » hoy ireo avy amin’ny koaminina.

« Ny andron’ny 8 aprily no famaranana ny hetsika. Mbola hitohy ao anatin’izany ny fizahana marary ary hisy ihany koa ny fizahana maso. Maimaim-poana avokoa ny tolotra ara-pahasalamana ka ny vahoaka no andrasana ho avy ety an-toerana » hoy hatrany ny fanazavana.

Ny vahoaka salama no afaka mandroso. Zo fototra tokony hananan’ny tsirairay ihany koa ny salama ka ilaina araka izany ny manao fitiliana sy mitsabo raha toa ka misy ny tsy azo azo na mampanahy amin’ny fahasalamana.

Manitra R.

Laisser un commentaire