Fampianarana ambony: Mitovy avokoa ny fangatahan’ireo mpianatra manerana ny Nosy
Taorian’ny fitokonana izay nataon’ireo mpianatra avy eny amin’ny Politeknika Vontovorona izay niverimberina dia nanohy ny tolona ihany koa ireo mpianatra avy amin’ny Oniversite maro manerana ny Nosy. Niara-dalana tamin’ireo politeknisianina ny Oniversiten’ny Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa rehefa mbola tsy nivaly ny fangatahan’izy ireo. Rehefa zohina dia mitovy avokoa ny fangatahan’izy ireo toa ny vatsim-pianarana efa ela loatra…
“Mitovy amin’ny fijalian’ireo mpianatra ao Vontovorona Antananarivo ihany ny olanay aty dia ny vatsim-pianarana dimy volana mbola tsy volaoha. Eo ihany koa ny fanavaozana ny foto-drafitr’asa satria efa miha-mitombo ny mpianatra. Ankoatra izany anefa nisy ny fampanentanana ny “wifi” ho anay, aiza ihany izany? 72ora ny fe-potoana afaka nomenay ka raha mbola tsy mivaly izany ny zoma izao dia mampiakatra ny lentan’ny tolona izahay”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra ao Mahajanga.
Mila mikaroka vahaolana mahomby ny Ministera sy ireo mpiara-miasa aminy mahakasika ny vatsim-pianarana satria io hatrany no olana nandritra ny fotoana maro be. Mila miasa malaky sy vetivety izy ireo hahafahana mamongotra ity fitokonana mahakasika izany ity. Azo atao ihany koa ny manao latabatra boribory hikaroham-bahaolana amin’izany.
“Ny vola tokony misy ao ary tokony efa fantatra mazava ny teti-bola amin’ny vatsim-pianarana. Mandra-piandry ny lelavola amin’izany tokony efa misy ny “alternatives” hafa satria efa fantatra isan-taona fa olana hatrany io”, hoy i Jean Bosco, mpahay toe-karena iray.
Etsy andaniny anefa tompon’andraikitra ihany koa ny mpianatra amin’ny olana samihafa ka tokony hialohan’ny fitokonana sy ny herisetra isan-karazany ny fifampiresahana amin’ireo tompon’andraikitra. Ny anton’izany dia ny mba hahafahana mikaroka vahaolana isan-karazany. Tokony hampisehoana fa mpianatra voabe araka ny tokony ho izy ny mpianatra Malagasy.
Miora Raharisolo
