ActualitésTsidika

Fanabeazana: Entanina amin’ny fanoherana ny firaisana ara-nofo aloha loatra ny mpianatra

Manatanteraka fanentanana mahakasika famongorana ny firaisana ara-niofo aloha loatra eny anivon’ny sekoly tsy an-kanavaka ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny tanjona amin’izany dia ny hanentana ireo tanora mpianatra hanohitra ny firaisana ara-nofo aloha loatra sy ny hanabe azy ireo ho amin’ny fiainana mirindra. Any amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny no hanombohana ny hetsika ary hanerana ny Nosy izany arak any programa izay efa napetraka.

“Ny tanjona tamin’ity hetsika ity dia hahafahana miaro ny mpianatra amin’ny fitondrana vohoka aloha loatra sy ny herisetra ara-nofo izay mety ho sakana amin’ny fanohizany ny fianarany. Nampahafantarina ny mpianatra ny fifadiana amin’ny firaisana sy ny ady amin’ny herisetra ara-nofo”, hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

Tokony hanolotra fahalalana vaovao sy soatoavina hajaina ho an’ireo mpianatra izany fampiofanana natolotra azy ireo izany. Manampy ny fahalalana ara-tsiansa ho an’ny mpianatra ary mampiroborobo ny soatoavina toy ny fanajana ny aina, ny fahamendrehan’ny olombelona, ​​ny fifanajana ary ny soatoavina manokana sy ara-tsosialy ampiasaina hiadiana amin’ny fitondran-tena mampidi-doza io fiofanana io ka izany indrindra no antony hanapariahana azy manerana ny Nosy.

“Ilaina ny fampahafantarana izany any an-tsekoly fa mbola tsara kokoa rah any Ray aman-dReny any an-trano mihitsy no mandray andraikitra momba izany. Manana adidy amin’izany ireo Ray aman-dReny ireo amin’ny hoavin’ny zanany ka tokony tsy hisy fahamenarana ny firesahana izany. Matetika dia izany foana no sakana ka tokony resena”, hoy ny Psychologue iray.

Mitondra vokatra betsaka ho an’ny tanora izany fampiofanana izany ka tena zava-dehibe ny fanarahana azy. Zava-dehiba izany indrindra hahafahana maneho ny toe-tsaina tsara sy ny soatoavina ara-moraly, ary koa hiantohana ny fitondrantena tompon’andraikitra eo amin’ny fiainany ara-tsosialy sy ara-pananahana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire