Dépêches

Toetr’andro: Mbola hahazo orana ato anatin’ny telo andro misesy ny afovoan-tany

Dépêche 04 avril, 11h, Na dia efa mamaraparana ny vanim-potoan’ny fahavaratra hahafahana miditra amin’ny vanim-potoan’ny ririnina aza I Madagasikara dia mbola mitoetra hatrany ny orana. Mbola hahazo orana araka izany ny faritra maro eto Madagasikara indrindra ny afovoan-tany sy ny ilany atsimo atsinanana ary ny ilany andrefan’ny Nosy. Ny alina no tena hanjaka izany oram-baratra izany ka tombanana hidina kely ny mari-pana indrindra amin’ireo faritra voalaza ireo. Araka izany dia samia mailo amin’ny fitafiana mifanaraka amin’izany , eo ihany koa ny aro orana isan-karazany hahafahana miaro tena raha sendra tratran’izany orana izany.

Laisser un commentaire