ActualitésTatitra

France : Mbola mitohy ny fanadihadiana mikasika ny fitifirana telo samihafa tao Marseille ny alin’ny alahady teo

Toerana telo samihafa no nisehoana tranga fifampitifirana tao Marseille ny alin’ny alahady hatramin’ny alatsianiny maraina teo. Tao anatin’ny adiny iray monja dia olona telo no maty vokatr’izany raha ny fanazavana. Manodidina ny misasakalinateo no nandrenesana ny feom-basy voalohany tsy lavitr’i Castellas, tovolahy manodidina ny 20 taona roa no lavo tamin’izany.

Tsy lavitr’i Aygalades kosa no nadrenesana ny feom-basy faharoa. Tsy nisy ny aina nahafoy tamin’izany saingy olona enina kosa no naratra. Ny fifampitifirana fahatelo, niseho manodidina ny Vincent-LeBlanc teo amin’ny 1 ora maraina teo kosa no nahafaty ilay olona fahatelo, izay 16 taona monja ary nandratra olona roa hafa.

Raha ny fanazavana dia raharaha fanondranana zava-mahadolemina no anton’ireo fiampitifirana ireo.

Laisser un commentaire