Voafonja: Mijaly amin’ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana
Dépêche 03 avril, 14h, Mbola vitsy ireo mpitsabo mandray an-tanana ireo voafonja amin’izao fotoana izao ka mitarika tsy fahatomombanana amin’ny fahasalaman’ireo voafonja izany. Ny fahasalaman ara-tsaina sy ara-pihetseham-po no tena maro miantra amin’ireo voafonja ireo. Mbola miisa 44 ihany anefa ireo manam-pahaizana amin’izany ka mahatonga azy ireo ho sahirana. Ankoatra izany dia infirmiera 1 ho an’ny voafonja miisa 500 no mba miasa amin’ireny toerana ireny. Mbola ilaina manam-pahaizana maro isan-karazany araka izany ity sehatra ity hahafahana manampy sy monomer ny zon’ireo voafonja ireo na dia any aza no misy azy ireo.
