Fahasalamana: Mitoetra hatrany ny fiarovana rehetra mandritra ny aretina Covid-19
Dépêche 03 avril, 11h, Mbola mitoetra hatrany ireo fihetsika fiarovana rehetra tokony hananana ho fiarovan-tena amin’ny aretina covid-19. Mirongatra izay tsy izy indray ity aretina ity amin’izao fotoana izao. Miisa 43 indray ireo tranga vaovao voamarina raha mitotaly ho 69 ireo marary rehetra amin’izao fotoana izao. Tsy misy kosa ny namoy ny ainy sy ny ireo tranga misy fahasoratana rah any tamin’iny herinandron’ny 25 ka hatramin’ny 31 martsa teo iny. Tsy misy afatsy ny tsirairay ihany anefa no afaka miaro ny tenany amin’izany aretina izany. Mbola mila tazomina hatramin’izao ny fihetsika sakana rehetra izay ny zava-dehibe indrindra amin’izany dia ny fanasana tanana matetika. Samia miaro tena araka izany indrindra amin’izao vanim-potoan’ny gripa izao.
