Vehivavy mpandraharaha : Mitondra ny anjara birikiny ihany koa ny masoivohon’i Amerika
Niantso ireo vehivavy mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny sakafo sy fambolena avy amin’ny faritra Analamanga ny ambasady sy ny antenimieran’ny Varotra amerikana AmCham Madagascar mba handray anjara amin’ny atrik’asa hampahafantarana ny fomba hidirana amin’ny tsena amerikana.
Ho tontosaina eto Antananarivo ary haharitra 3 andro io fiofanana io. Hanomboka ny 11 aprily izao izany ary tsy hifarana raha tsy ny 13 aprily. Marihana fa programa tohanan’ny Ministeran’ny Varotra sy Toekarena amerikana io hetsika io ary vatsian’ny POWER-Providing Opportunities for Women’s Economic Rise initiative.
Efa azo atao kosa ny misoratra anarana ao amin’ny adiresy mailaka es@amcham-madagascar.org mialohan’ny 4 aprily ho an’izany liana amin’izany.
