ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Hisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana

Hisy ny tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny mponina manomboka anio 3 aprily ka hatramin’ny 5 aprily izao eny amin’ny teoram-pitsaboana, kaominina Anosy Avaratra. Fitsaboana, fitiliana ary fizahana ara-pahasalamana maro no hita hita ao an-toerana mandritra izany, araka ny voalaza.

« Manentana ny mponina eto Anosy Avaratra sy ny manodidina ho avy hanantona ny hopitaly Anosy Avaratra, fitialiana sy fitsaboana karazana aretina maro no ho hita ao an-toerana, izay natao indrindra ho an’ny sokajin-taona rehetra » hoy ireo mpikarakara.

« Hetsika lehibe entina hanampiana ny mpiara-belona, ahafahan’izy ireo mahazo fistaboana maimaim-poana izao satria ao anatin’ny zo mahaolona ny salama » hoy hatrany ny fanazavana.

Ho hita mandritra ireo fotoana ireo moa ny fizahana ara-pahasalamana ho an’ny lehibe sy ny ankizy, ny fanalana nify, fizahana maso sy sofina, ny fitiliana diabeta, fitiliana VIH/SIDA, fanomezana ra, ny fitarafana, ny fanabeazan’aizana ary ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ity hetsika ity izay hiarahana amin’ny ministera misahana ny fahasalamana.

Manitra R.

Laisser un commentaire