Dépêches

CAN 2023: 13 janoary 2024 no lanonam-panokafana ao Côte d’Ivoire

Dépêche 31 mars, 12h30, Ny 13 janoary 2024 no hanomboka ny andiany faha 34 amin’ny CAN izay hatao any Côte d’Ivoire. Ao Abidjna ao amin’ny kianjan’ny lassane Ouattara d’Ebimpe no hanatanterahana izany nanonam-panombohana izany. Ny ankitsapaka kosa dia hotanterahina ny volana septambra izao raha holazaina manaraka kosa ny toerana hanatanterahana ny lalao rehetra. Firenena efatra amin’izao fotoana izao no efa fantatra fa hiatrika izany lalao lehibe izany dia I Algérie, Maroc, Afrique du Sud ary i Sénégal. Marihina moa fa tsy hiatrika ity lalao ity ny Barea taorian’ny faharesena indroa miantaona izay niantra tamin’izy ireo izay nahatonga azy ireo ho laharana faha-efatra ao amin’ny vondrona E.

Laisser un commentaire