Dépêches

Trano nihotsaka Behoririka: Olona 3 no namoy ny ainy raha mbola karohina kosa ireo ambiny

Dépêche 31 mars, 11h30, Nisehoana tranga na fianjerana trano teny Behoririka anio maraina tamin’ny 3ora. Araka ny fantatra moa dia vokatry ny rotsak’orana betsaka loatra tamin’ny alin’io no nahatonga izany fianjerana izany. Miisa 13 izy ireo no tao amin’ireo trano miisa 3 nihotsaka ary amin’izao fotoana izao dia ny 3 amin’ireo no namoy ny ainy raha mbola karohina kosa ny 2 ambiny. Efa any amin’ny hopitaly kosa ireo ambiny izay nentina notsaboina. Marihina fa simba tanteraka moa ity trano izay hita ao aorian’ny Banky BFV-SG Behoririka ity

Laisser un commentaire