ActualitésTatitra

Seychelles : Nahazo 2,8 tapitrisa dollars hampiroboroboany ny asany ny orinasa Ocean Basket

Matanjaka kokoa ny sehatry jono noho ny sehatry ny fambolena ao amin’ny nosy Seychelles. Manoloana izany dia miroborobo kokoa ny famatsiam-bola amin’io sehatra io. Nisitraka izany indrindra ny orinasa mpanjono Ocean Basket ao an-toerana, izay misahana ny jono an-dranomasina sy ny fanodinana trondro.

2,8 tapitrisa dollars avy amin’ny DBS (Development Bank of Seychelles) no azon’io orinasa io izay tafiditra ao anatin’ny « Fonds d’investissement bleu ». Tohanan’ny banky iraisam-pirenena kosa izao famatsiam-bola izao entina hanatsarana ny fahazoana famatsiam-bola amin’ny fanatanterahana ny tetikasa an-dranomasina sy jono maharitra, amin’ny fanomezana zanabola 4% ho an’ny orinasa mahafeno fepetra amin’ny fampindramam-bola hataony raha ny fanazavana.

Mikasa ny hanitatra ny orinasa fanodinana trondro kosa ny Ocean Basket ary hanatsara ny fitaovana fanadiovana, famonosana sns ao amin’izany. Maniry ny hanondrana any amin’ny tsenan’i Europe, Amérique du Nord ary Afrique de l’Ouest ihany koa izy ireo.

Laisser un commentaire