Toetr’andro: Mila mitandrina amin’ny fikorontanan’ny ranomasina ireo mpisehatra amin’izany
Miovaova tsy mahazo toerana tsara ny toetr’andro manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Mbola tsy tafiditra amin’ny vanim-potoan’ny ririnina kosa anefa na fa mbola hitoetra amin’ny fotoam-pahavaratra hatrany. Hisy fikorontanana kosa ny ranomasina mandritra ny andro vitsivitsy ka tokony hitandrina amin’izany ireo mpampiasa ranomasina.
“Hahery ny ranomasina ka tokony hitandrina ireto faritra ireto. Hatrany Morombe ka hatrany Cap Sainte Marie, Cap Sainte Marie ka hatrany Vangaindrano ny filazana miloko mena. Filazan miloko mavo kosa Ho an’ny Besalampy hatrany Morombe ary Vangaindrano hatrany Mananjary. Mila manaraka hatrany ny fivoaran’izany toetry ny ranomasina izany hatrany ihany koa ireo mpampiasa ranomasina amin’ireo faritra ireo hisorohana ny loza”, hoy ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro.
Ho an’ireo faritra hafa kosa dia tafiditra anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra tanteraka isika amin’izao fotoana izao ka hitoetra araka izany ny rotsak’orana betsaka. Nanamarika izany indrindra ny rotsak’orana tao anatin’ny andro vitsivitsy. “Anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra tanteraka i Madagasakara amin’izao. Izay no mamaritra ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity saingy tsy atahorana ny hisian’ny rivodoza hatramin’ny faran’ny herinandro”, hoy ahtrany ny fanazavana.
Amin’ny vanim-potoana toy izao no ilaina ny fahafantarana ny toetry ny andro isan’andro indrindra ho an’ireo izay mivoaka isan’andro noho ny asa sy ny fianarana. Mila mivatsy akanjo mafana sy aro orana hatrany ihany koa miaraka amin’izany fiovaovan’ny toetr’andro matetika loatra izany.
Miora Raharisolo
