ActualitésTsidika

Vilihazo : Fahombiazana ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy FORMAPROD

Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana teo amin’ny kaominina Vilihazo ny FORMAPROD. Ity fiaraha-miasa ity izay mifototra indrindra amin’ny famokarana, izay tamin’ny alalan’ny fanofanana ireo tanora sy tantsaha tao an-toerana amin’ny sehatry ny fambolena.

« Anisan’ny ezaka nataon’ny kaominina ny hitondra fampivoarana sy fampandrosoana amin’ny seha-pamokarana hiveloman’ny mponina ao an-toerana ary tafiditra anatin’izany izao fiaraha-miasa amin’ny FORMAPROD izao, izao nahitan’ny roa tonta fahombiazana » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Hisaorana lehibe ny kaominina satria tena iharaha-mahita izao ny valin’ny ezaka sy ny asa eo amin’ny fampiroboroboana ny seha-pivelomana, indrindra ny fanomezana fiofanana ho an’ny tanora sy ny tantsaha. Hirariana ny hitohizan’izany hatrany ka mba ho fitaratra sy fankatahaka ho an’ny hafa » hoy i Solo, mponina ao Vilihazo.

Seha-pivelomana anisan’ny mibahana sy hiveloman’ny ankamaroan’ny mponina ao anatin’ny kaominina Vilihazo ny seha-pamokarana fototra, dia ny fambolena sy  ny fiompiana. Ilaina tokoa ny fanohanana ny mponina amin’izany mba ho antoky ny fampandrosoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire