ActualitésTatitra

Etats-Unis : 65 taona taty aorian’ny nahafatesany vao fantatra ny mombamomba ilay zazalahy hita faty tao anaty baoritra

65 taona taty aorian’ny nahafatesany vao fantatry ny manam-pahefana tao Etats-Unis ny mombamomba ny zazalahy iray hita faty tao anaty baoritra tamin’ny taona 1957 tao Philadelphie. 65 taona ihany koa ny fe-potoana nanaovana ny fanadihadiana. Manodidina ny faha 4 taonany teo ity zazalahy ity no hita faty ny 25 Febroary 1957. Noho izy natao tao anaty baoritra ary tsy fanta-piaviana dia nomen’ny maro ny solon’anarana hoe « garçon dans la boite ».

Maro ireo liana tamin’ity raharaha ity tamin’izany. Tamin’ny taona 2019 no nofohazina indray izany ka ny 8 desambra 2022 no namoahana ny valin’ny fanadihadina. Fantatra tamin’ny alalan’ny « test ADN » fa i Joseph Augustus Zarelli no anaran’io zazalahy hita faty io izay teraka ny 13 janoary 1953. Hatramin’izao fotoana kosa dia mbola tsy fantatra ny namono io zaza io, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy tao Philadelphie, Danielle Outlaw dia nisedra tsy fahampian-tsakafo ihany koa io zaza io ankoatra ny vono nahazo azy.

Laisser un commentaire