ActualitésTatitra

Mayotte : Tokony hianarana eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ny fanabeazana momba ny fahasalamana ara-pananahana

Tsara raha voafehy eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ny fanabeazana momba ny fahasalamana ara-pananahana hoy ny tale rejionalin’ny fahasalamana ao Mayotte, Olivier Brahic. Antony hoy ny mirosoan’ny tanora amin’ny firaisana aloha loatra ary ny fiaaran’ny tahan’ny fahaterahana.

Manoloana izany dia nilaza ihany koa io tompon’andraikitra io fa hisy ny fanentanana ireo reny tanora ampiasa fandrindram-piainam-pianakaviana sy ny fanamorana ny fampiasana fanabeazana aizana na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy. Tetsy ankilany dia nanamafy ny tenany fa ho hatsaraina ihany koa ny eo amin’ny sehatra ara-pahasalamana misahana izany.

Laisser un commentaire