Comores : 90% ny tanjona sahady no tratra manoloana ny fiadiana amin’ny zava-mahadomelina
Nisy ny hetsika nanetsehana andiana mpitandro ny filaminana niady tamin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina tamin’ny tanàna telo tao Comores dia i Madjadju, Cambodge ary Maluzini. Voasakojy ho toerana be mpivarotra sy mpanjifa zava-mahadomelina betsaka ao amin’ny nosy ireo toerana ireo anton’izao hetsika izao.
Naharitra telo nifanesy ny hetsika ary nanomboka ny alakamisy heriny teo. Nahafapo ny ezaka hoy ny tompon’andraikitra avy tao Ngazidja. Nanamafy ny kapiteny Zakaria Abdallah fa niasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana, efa 90% ny tanjona no tratra amin’izao fotoana ary manodidina ny 50 isa ireo olona efa voasambotra. Mety mbola hitohy kosa ny hetsika raha ny fanazavany saingy miankina amin’ny vaovao mety ho azon’izy ireo izany.
