Dépêches

Fiarovana ny aina: Mpivarotra hani-masaka 82 nahazo fanamafisam-pahaizana.

Dépêche 21 mars, 14h, Mpivarotra hani-masaka miisa 82 no nahazo fanamafisam-pahaizana avy amin’ny sampan mpamonjy voina. Mahakasika ny fihetsika voalohany amin’ny loza mety hitranga no nampianarina ireto mpivarotra ireto nandritra ny tapak’andro 8. Nanomboka ny 16 janoary izany fampiofanana izany ary hifarana ny 13 aprily izao ka mizarazara ireo mpivarotra miatrika izany raha mpivarotra 40 no handrasana amin’ny andiany farany izao. Araka izany dia efa afaka mirotsaka an-tsehatra ireo mpivarotra ireo raha sendra misy ny hamehana

Laisser un commentaire