ActualitésTsidika

Kolotsaina :  Hankalazaina ny 21-22 Martsa 2023 ny taom-baovao Malagasy

Fety ankalazain’ny mpandala ny fomban-drazana malagasy isan-taona ny taom-baovao malagasy. Toa adinodino ny malagasy ankehitriny manko ity andro ity. Eo araka izany ireo olona izay tena mbola manaraka, manaja, ary mandala ny fomba malagasy hamelona hatrany ity fety lehibe ity. Manomboka ny talata 21 martsa ny fakana ny afo tsy maty, izay haparitaka amin’ny toerana 20 eto an-toerana .

Mizara roa ny fanantarehana , ny faha-21 martsa dia antsoina hoe andro maty. Io andro io no faran’ny taona raha ny fomban-drazana malagasy no harahana. Ny ampitson’io kosa no tena hanantanterahana ny fety izay iarahana amin’reo andriana sy ireo mpandala ny fomban-drazana.  « Fotoana sarobidy sy tsy manan-tsahala, Fidiovana, hanadratana fihavanana sy firaisan-kina. Antsika ity nosy ity, nokoloin’ireo Razantsika avy am-Janahary, andeha ary isika rehetra hiaraka ankalaza ny Taombaovao Malagasy, na isan-tokatrano, na fikambanana, na sekoly sy ny sisa, na aiza na aiza misy anao. », hoy ny voalazan’ireo mpandala ny fomban-drazana.

Toerana mbola anisan’ny ahitana olona mitandrina ny fomban-drazana i Madagasikara. Tokony hampitomboana foana anefa izany mba hanentanana ny malagasy sasany hanome lanja bebe kokoa ity fety ity. Betsaka ny olona no lasa tsy maharaka intsony ity andro ity, ka tsara raha atao tanjona hoan’ny tsirairay ny hanaraka hatrany ny fomba maha malagasy. Misy ny fomba fiteny hoe « tahio ny an-tegna fa ny an’olo tsy omeny », anjara ny tsirairay ny mamelona  ny ambom-pony ho an’ny firenena.

Erwan RAN

Laisser un commentaire