Kaominina Ankadimanga : Napetraka ireo jiro hanazava ny tanàna
Anjara andraikitra nametrahana ny olom-boafidy tsirairay ao anatiny faritra iray ny fandrakofana fahazavana ny faritra sahaniny. Mitondra filaminana eo amin’ny toerana iray ny fisian’ny fahazavana amin’ny alina. Ny toerana maizina lavitra ny jiro dia lasa fiherenan’ny olon-dratsy. Marikan’ny fivoarana tsikelikely ao anatin’ny kaominina ny fametrahana andrin-jiro eny amin’ny toerana rehetra ireny. Manala ny fahasahiranana ho an’ny vahoaka ny fisian’ny fandraisana andraikitra toy izao. « Ho anay rehefa rava miasa alina dia tena sahirana tokoa. Matahotra ihany koa satria maizina ny lalana hodiana. Mitebiteby foana rehefa andeha hody sao dia misy hanendaka na misy mamono mihitsy arany. Mankasitraka ny ny tompon’andraikitra izay nametraka ireto hazavana ireto fa dia tena mahafaly sy mahafinaritra tokoa ny mahita tanàna mazava toy izao .», hoy i Seheno, mponina ao an-toerana.
Tsy tokony hijanona amin’izay fahazavana izany ihany anefa tokony hiezaka koa ny kaominina amin’ny fijerena ireo lalan-kely. Betsaka ny lalana tokony asiana fanamboarana ka mbola ilaina hatrany ny fandraisana andraikitran’ny kaominina amin’izany. « Efa tsara ny ezaka ataon’ny kaominina ka tsy tokony hihemotra itsony izany fa handroso hatrany. Ny olom-panjakana dia tokony hiara-miasa akaiky amin’ny vahoaka mba hisian’ny fampandrosoana maharitra ato anatin’ny kaominina .» hoy hatrany ny fanazavana.
Ny hetsika toy izao dia tokony halain’ny olom-boafidy tsirairay tahaka mba hitovian’ny fandrosoana amin’ny kaominina tsirairay avy. Tsara ny maka tahaka raha toa ka entina hampivoarana ny kaominina izany. Tsy tokony hisy, araka izany, ny fihafahafahana amin’ny samy olom-boafidy. Ilaina ny fandinihana miaraka ny fanatsarana ny fintantana. Etsy andaniny, tsy ho tombotsoa ny kaominina ihany izany fa mitondra fampiroboroboana ao amin’ny distrika iray manontolo ny fikaonan-doha miaraka.Ezaka lehibe andrasana amin’ny olom-boafidy tsirairay araka izany ny hampivoatra miaraka ny distrika, indrindra ny aty amin’ny faritra Antananarivo-Atsimondrano.
Erwan RAN
