Fampianarana ambony: Mpianatra miisa 5 handrato fianarana any Japon.
Mpianatra miisa 5 no nahazo vatsiam-pianarana handratoana fahalalana any Japon avy amin’ny Masoivohon’ny Japon eto Madagasikara. Samy hanana ny sehatra hisahanany sy hanampiany fahalalana avy ireo mpianatra ireo. NY avy amin’ny Governemanta Japoney avokoa no miantoka ny momba momba ireto mpianatra ireto.
“Samy hanana ny mampiavaka azy ny fianarana horatovinay any an-toerana. Misy ny hianatra mahakasika ny “agronomi”, eo ihany koa ny fikarohana mahakasika ny kolontsaina sy ny fivoaran’ny Japon, ny mahakasika ny orinasa misehatra amin’ny asatanana, hisy ny hianatra manokana momba ny lakozia sy ny “confiserie” ary eo ihany koa ny mahakasika ny informatika. Oniversite samy manana ny maha izy azy avy no handray anay amin’izany ka ho entina indrindra ho rehareha ary hahafahana mamoaka zavatra tsara ho an’ny firenena”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra.
“Mila miezaka mafy foana amin’izao hatao satria tsy maintsy mivaly hatrany iny ezaka iny rehefa aoriana ao. Ny faniriana sy ny passion hilofosana foana fa tsy maintsy misy mahita ny fahaizanao. Etsy andaniny anefa dia ilaina ihany koa ny miezaka hanatratra ny tanjona napetraka ho amin’ny tsara hatrany hahitan’ny olona ny fiezahana”, hoy hatrany ny torohevitra avy amin’ireto mpianatra izay handeha hanampy fahalalana ireto.
Raha manana faniriana ny hianatra any ampitan-dranomasina ny tsirairay no mila miezaka amin’ny fianarana hataony. Mila ihany koa manaraka tsy tapaka ny zava-misy. Toa an’ny Goverenemanta Japoney izay manolotra vatsim-pianarana feno ho an’ny mpianatra Malagasy mendrika isan-taona. Manodidina ny faran’ny volana aprily eo isan-taona ny fisokafan’ny fisoratana anarana hisitraka izany vatsim-pianarana izany.
Miora Raharisolo
