Actualités

Toetr’andro: Tsy misy risika fiforonana rivo-doza amin’ity herinandro ity

Na dia vinavinaina hiverina ao amin’ny Lakandranon’ny Mozambika azan y rivo-doza Freddy dia tsy
misy hatahorana ny mahakasika ny mety ho fiforonanan’ny rivo-doza indray. Hilamindamina ny
toetr’andro amin’ity herinandro ity na dia mbola tsy tapitra aza ny vanim-potoan’ny rivo-doza eto
Madagasikara.

“Mety hiverina ao amin’ny Lakandranon’ny Mozambika i Freddy saingy tsy misy hatahorana satria efa
mihena dia mihena ny heriny. Mety ahitana fikorontanana kely anefa ny toetr’andro ho amin’ny
andro vitsivitsy ho avy eto. Miaraka amin’izany dia misy rivotra miforona ao amin’ny ilany avaratry ny
Nosy izay mety hahatonga ny fiforonan’ny rotsak’orana betsabetsaka indrindra hanomboka ny
alakamisy izao”, hoy ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro.

“Rehefa fotoan’ny fahavaratra toy izao dia tokony homena toerana ny vaovao mahakasika ny
toetr’andro izay miovaova be hahafahan’ny tsirairay miomana. Raha ny hita dia toa mangatsiaka
loatra rehefa maraina ka mahatonga ny aretina samihafa noho ny fitafiana tsy mifanaraka amin’io
toetr’andro miovaova io, indrindra ho an’ireo mpianatra kely”, hoy I Josephine, renim-pianakaviana.

Marihina moa fa mbola tsy tapitra ny vanim-potoan’ny rivo-doza raha tsy ny volana aprily izao ka
mbola mila mailo araka izany ny tsirairay. Etsy andaniny anefa dia hilamindamina ny toetr’andro
taorian’ny Freddy iny satria mbola tsy misy ny rivo-doza ahiahiana ho mihaodihaody ao amin’ny
Ranomasimbe Indianina ao amin’izao fotoana izao. Ny fanarahana ny vaovao marina ihany koa no
fanoitra hahafantarana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire