ActualitésTatitra

La Réunion : Hisy hotely vaovao hisokatra ao Saint-Denis

Manitatra ny fidiram-bolany ao La Réunion ny «chaine d’hôtel » Radisson. Hametraka ny hoteliny voalohany ao an-toerana izy ireo izay heverina fa hisokatra ny faran’ny volana jona izao.  Hotely kintana efatra io hisokatra io, ao Saint-Denis ao Barachois no hametrahana azy. Marihana fa trano efa teo an-toerana no navaozina havadika io hotely io.

Hisy efitra 116 isa ary « suite » 8 kosa ny hotely, hametrahana toeram-pitobiana fiara 2 ihany koa izany. Hisy toeram-pisakafoana 3 ihany koa ao amin’izany raha ny fanazavana izay afaka mandray olona an-jatony. Heverina fa hamoron’asa ho an’olona 80 isa eo io orinasa vaovao io hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire