ActualitésTsidika

Fotodrafitr’asa: Misy fikorontanana ny lalana Ankadimbahoaka-By Pass noho ny fanamboarana ny ampahany

Misy ampahan-dalana amboarina eo amin’ny lalana mampitohy an’ny Ankadimbahoaka sy By Pass ka misy fikorontanana noho izany ny fifamoivoizana eny an-toerana. Mandritra ny fotoana mbola tsy voafetra araka izany dia mbola mitoetra hatrany ny fivilianana izay manaraka ny fandaminan’ny manam-pahefana.

“Araka ny fandaminana dia misokatra isan’andro amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora maraina ny ampahan-dalana miainga amin’ny By Pass mihazo an’Androndrakely alohan’ny hikatonan’ny lalana mandritra ny andro, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Ny fizarana eo anelanelan’ny rond point Ankadimbahoaka sy ny Jovena d’Androndrakely kosa dia ho tapaka tanteraka mandritra ny faharetan’ny asa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy izay mpanao ny asa.

Mampimenimenina ny olona mihitsy tato anatin’ny fotoana vitsivitsy izay ny faharatsian’ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. “Ny mahagaga di mipasoka ny efa malama foana ny fitondram-panjakana. Io lalana jhamboarina amin’izao fotoana izao io dia lalana vao vita vao haingana. Marina fa misy fahasimbana fa tokony tsy ho laharam-pahamehana na dia izany aza satria ny lalana eny amin’ny 67ha izao dia efa lasa lala-tany ka tokony hojerena farany izay haingana. Maro ireo asa tokony ho laharam-pahamehana fa izao toa midika fa mampiseho fotsiny ny Ministera hoe miasa”, hoy i Rija, hentitra tamin’ny fanazavany.

Miresaka momba ny fanamboarana ny lalan’ny renivohitra ny minisiteran’ny Asam-panjakana tao anatin’ny fanambarana izay nataony, enga anie tsy hijanona ho rersaka ihany izany fa ho asa ihany koa. Marihina moa fa ity lalana izay hamboarina ity dia tsy mbola misy ny fe-potoana hamitana azy ka hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny. “Hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana rehefa vita ny asa”, hoy ny avy ao amin’ny Minister aka miandry sy manaraka ny fepetra rehetra ny mpampiasa lalana araka izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire