Fampianarana ambony: Nisy ny fihaonana teo amin’ny Ministera sy ny fikambanan’ny mpianatra .
Nisy ny fihaonana izay nataon’ny Minisitry ny Fampianarana ambony tamin’ireo mpikambana ao amin’ny fikambananan’ny mpianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona izay mivondrona ao amin’ny FMPA. Fihaonana izay nifampiresahana ampilaminana hahafahana mikaroka vahaolana amin’ireo olana maro isan-karazany. Nivoitra tamin’izany ny mahakasika ny vatsim-pianarana sy ny olan’ny foto-drafitr’asa.
“Efa hatramin’izao ny Ministera no misokatra ho an’ireo izay mila izany rehetra hahafahana mamaha olana hialana amin’ny fitokonana matetika. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny momba ny vatsim-pianarana izay izay miandry ny fahatongavan’ny listitra sy “ etat” avy amin’ireo oniversite, ny fanarenana ny trano fonenan’ny mpianatra, ny momba ny jiro izay efa mandeha ihany koa ny fanamboarana ary ny rano izay hifampiresahana amin’ny Jirama”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony.
Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana ka izany indrindra no notanterahina tamin’ity fihaonana ity. “Betsaka ny vahaolana hita rehefa niresaka izahay. Ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy ankiera sy tsy ampieritreretana no nahatonga ireny korontana ireny. Toy ny Ray aman-dReny sy zanaka izahay niresaka tao ka nahitana vokany izany toy ny fahatongavan’ny Jirama sahady eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo raha efa tamin’iny faran’ny herinandro iny ny teny aminay eny Vontovorona dia efa nanomboka namboarina”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra.
Tokony homena ny zon’ireo mpianatra ka tsy tokony hisy izany fanakatoanana Oniversite izany na inona antony na inona. Marihina moa fa efa miverina amin’ny laoniny ny fampianarana amin’izao fotoana izao mba hialana amin’ny fatiatontaka maro isan-karazany. Manentana ny mpitantana oniversite rehetra any amin’ny faritany ihany koa hanatanteraka ny fifanakalozana mba ahafahana miara-misalahy amin’ireo olana maro. Ireo mpianatra ihany koa tokony hitazona ny maha-mpianatra amin’ny ambaratonga ambony azy ireo hatramin’ny farany.
Miora Raharisolo
